Ny Sinedriôna na Sanedrina dia ny antenimiera mpanao lalàna sy fitsarana tampony teo amin' ny Jiosy izay nivory ao Jerosalema nandritra ny fanjanahan-tany rômana sady nanam-pahefana tamin' ny Jiosy tao Palestina (faritra) sy tany am-pielezana. Voalaza ao amin' ny Filazantsaran' i Matio ao amin' ny Baiboly fa notsarain' ny Sanedrina iray manontolo i Jesoa na Jesosy alohan' ny hanomboana azy tamin' ny hazo fijaliana (Mat. 26.66).

Ilay mpahay tantara jiosy Flavio Jôsefa dia miresaka ny amin' ny sanedrina matetika ao amin' ny boky nosoratany atao hoe Antiquitates Judaicae.Na dia rava aza ny Fanjakana jiosy tamin' ny taona 70 tal. J.K. dia nisy ihany ny Sinedriôna izay nafindra tamin' ny tanàna lehibe sasany. Nisahana ny raharaham-pitsarana sy ny raharaham-pivavahana jiosy ny sinedriôna. Misy lahatsoratra ao amin' ny Mishna izay mamaritra ny fahefana sy ny fiasan' ny sinedriôna. Neken' ny Fanjakana Rômana ny fitsarana nataony momba ny raharaha anatiny amin' ny samy Jiosy hatramin' ny taona 425.

Olonkendry manam-pahaizana momba ny lalàna jiosy miisa 71 no mikambana ao aminy. Ny mpisoronabe no nitarika azy. Nisy ny atao hoe sinedriôna kely na sanedrina kely izay nahitana fara-fahavitsiny mpikambana 25 ny isan-tanàna lehibe. Efa nisy ny sanedrina tamin' ny fotoana nanapahan' i Antiôkosy Lehibe na Antiôkôsy III (242-187 tal. J.K.), nefa ny teny hoe sanedrina na sinedriôna dia tsy fandre raha tsy tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. Rehefa tsy nisy intsony ny sanedrina dia ny fitsaran' ny raby no nisolo azy ireo.

Jereo koa hanova