Rovan' i Tsinjoarivo

Ny Rovan' i Tsinjoarivo dia rova ao amin' ny tanànan' i Tsinjoarivo, izay any amin' ny 47 km atsimo-atsinanan' Ambatolampy ary 80 km atsimo-atsinanan' Antananarivo, ao amin' ny kaomininan' i Tsinjoarivo. Tamin' ny taonjato faha-19 dia ny mpanjakavavy telo (Ranavalona I sy Ranavalona II ary Ranavalona III) sy ny praiminisitra nifandimby dia inandany ny fotoam-pialan-tsasatra tao amin' io rova io.

Ny Rovan' i Tsinjoarivo
Ny Rovan' i Tsinjoarivo tazanin-davitra

Ny mpanjakavavy Ranavalona I no nifidy ny toerana hanorenana ny rova tamin' ny taona 1832, ary tamin' ny taona 1834-1836 no naorina ny trano dimy mandrafitra ilay rova. Nampiasaina ho toeram-ponenan' ny mpajnakavavy amin' ny fahavaratra ilay rova hatramin' ny taona 1896.

Ny renirano Onive

Nifandimby nampiasa azy ny mpanjakavavy Ranavalona I (tamin' ny taona 1840 sy 1842 ary 1856) sy Ranavalona II (tamin' ny taona 1880 sy1882) ary Ranavalona III (tamin' ny taona 1890).

Voahodidin' ny renirano Onive, izay ahitana riandrano roa, dia Andriamamovoka sy Ambavaloza, ity rova ity.

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova