Ny zozoro dia zavamaniry isan-karazany, velona any anaty rano, telo rirana, tsy misy sampana, hita eny anaty zetra, ary indrindra ireo ao amin' ny vondron-karazana Cyperus, ao amin' ny fianakaviana Cyperaceae. Ny tena karazan-javamaniry fantatra amin' io anarana hoe zozoro io dia ny Cyperus madagascariensis, izay zavamaniry tena akaiky, raha tsy mitovy, an' ilay atao hoe papyrus izay malaza any amin' ny lohasahan' ny ony Nily.

Manakaiky ny zato ny karazana Cyperaceae atao amin' ny teny malagasy hoe zozoro, ka anisan' izany ireto tanisana manaraka ireto, izay hita eto Madagasikara:

Betsaka ny fampiasan' ny Malagasy an' ireo zavamaniry ireo: tafon-trano; rindrina fisarahana (antsoina hoe takela-jozoro); lakan-drafitra faran' izay tsotra; asa fandrariana (tsihy, sns). Ny zozoro dia ampiasana amin' ny fomban-drazana maro ary ampiasaina manokana amin' ny fandroahana fanahy ratsy sasany.

Jereo koa

hanova