Rivoekembahoaka II

I Rivoekembahoaka II (1745 - 1808 eo ho eo) no mpanjaka betsileo farany nanjaka tea Fisakàna nanomboka tamin' ny taona 1796 ka hatramin' ny fianjeran' izany fanjakana izany, tamin' ny taona 1808. I Fisakana dia mitovy amin' ny Distrikan' i Fandriana ankehitriny ao amin' ny Faritra Amoron' i Mania.

Fiaviany hanova

i Rivoekembahoaka II dia avy amin' ny tarana-mpanjaka zafirambo ao amin' ny Zafindratrimo izay avy amin' ny tarana-mpanjaka antemoro ao amin' ny Anteony. Zafikelin' i Rivoekembahoaka I, izay nomen' Andrianandrianina, zanaka nandimby an' ity farany, araka ny fanao, dia nafindrany ny renivohitry ny fanjakany avy any Miarinkanjaka ho any Kirioka, tanàna misy manda voajanahary sarotra idirana, mijoro avaratra-atsinanan' ny tanànan' i Fandriana.

Fitantanana hanova

Ny nanjakany, naharitra 12 taona, dia niavaka noho ny fametrahana fahefam-panjakana ifotony, nohamafisin' ny fananganana mpitsara, notarihin' Andriambava avy any Vohitrambo, misolo tena azy, ary koa ny mpamory hetra, notarihin' Andriaminahy, izay mitsikilo manokana ny fanararaotana sy ny mety ho kileman' ny andriana tompon-tany. Nanendry an-dRatsimihety ho mpitantana ny fanjakana izy. Nozaraina mitovy ny mpitsara teo amin' ny andaniny roa amin' ny reniranon' i Fisakàna, ka folo ny an' Avaradrano ary folo hafa an' Atsimondrano, ary ny mpanangona hetra dia dimy an' Avaradrano ary dimy ny an' Atsimondrano. Izany fizarana izany no fototry ny fizarana ho boriborintany roa lehibe ao amin' ny fanjakana, nosantarin' i Rivoekembahoaka II, dia ny Avaradrano izay mamondrona indrindraindrindra ny andrianan' ny Miarinavaratra, Tsarazaza, Sahatorendrika, Ambohipo ary Iharana, avy eo ny Atsimondrano mampitambatra an' i Tsiakarandambo, Imito, Imady, Mahazoarivo ary Sandrandahy.

Ny fianjeran' ilay fanjakana hanova

Tokony ho tamin' ny taona 1806 tany ho any no nandrenesan' ny mpanjaka Rivoekembahoaka II ny fandresen' Andrianampoinimerina namakivaky ny tanin' ny Betsileo. Namadika azy ny mpanjaka sakalava Ramasoandro, ka tsy afa-nanoatra tamin' ny fahatongavan' ny mpanjaka merina i Rivoekembahoaka II.

Nangatahana am-pilaminana tamin' ny mpanjakan' i Fisakàna mba hanao an-tsitrapo ny tenany ho "zanany" ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Nandà mafy i Rivoekembahoaka II, satria mitovy aminy fa tsy zanany. Nanapa-kevitra ny handray fiadiana Andrianampoinimerina.

Lehibeny sy sarotra idirana ny mandan' i Kiririoka, ka dia nanohitra ny fanafihana rehetra nandritra ny volana maro nanaovana fahirano azy ireo tao anatiny. Nivadika anefa Ramboay zanak' i Rivoekembahoaka II (na zanak' olo-mpiray tampo aminy, araka ny fitantarana sasany) ka nanoro an' Andrianampoinimerina ny fomba hanovana ny toe-draharaha, tamin' ny alalan' ny fanotana fady. Raiki-tahotra ny mponina tao amin' ny trano mimanda noho ny fanazimbana ny zava-masina, ka naleon' ny ankamaroany nianjera tamin' ny vatolampy. Nanapa-kevitra ny mpanjakan' Imerina fa tsy hisambotra intsony ny havana akaikin' ny mpanjaka, ka niverina tany Imerina, nitondra ho babo an' ady ireo mpanompon' i Rivoekembahoaka II teo aloha, izay nantsoina hoe Tsiarondahy tatỳ aoriana.

Fotoana fohy taorian' izay dia nipoitra i Rivoekembahoaka II ka nanapa-kevitra ny hanaiky an' Andrianampoinimerina amin' ny fanantenana ny hamerina ny fanjakany aminy. Nizaha toetra azy Andrianampoinimerina ka naniraka azy haka am-pilaminana ny fanjakan' Ilaka. Novonoin' i Rivoekembahoaka II ny andrianan' i Ilaka sady naratra nandritra ny fifandonana ny tenany. Nozarainhy araka izay sitraky ny fony ny babo an' ady, ka nahatezitra an' Andrianampoinimerina izany, ka raikitra ny fanafihana tamin' ny indray Alarobian' ny taona 1808. Resy i Fisakàna, naratra mafy i Rivoekembahoaka II ary maty an' ady avokoa ny zanany, ka nahafoana ny taranaka mivantana avy amin' ny mpanjaka. Nanjavona ny Fanjakan' i Fisakàna, izay nampidirina tao amin' ny tany fehezin' Imerina, niditra tao amin' Imerina enin-toko, izay faritanin' i Vakinankaratra nanomboka teo.

Raha vantany vao tafaverina ny filaminana dia nataon' Andrianampoinimerina ho menabe i Atsimondrano, izany hoe nampidirina tao amin' ny tany tapahin' ny mpanjaka mivantana, fa i Avaradrano kosa dia lasa menakely ho fankasitrahany ny komandin' ny tafika izay tena atidoha nikotrika ny fandresena.

Ny zanany hanova

Mizara ny lovantsofina momba ny tena isan' ny zanany: roa lahy hoy ny sasany, dia Ramboay sy Andriamananifisaka, zanakavavy tokana hoy ny hafa, dia Rabodofotsy izay nonina tao Ambatomanjaka avaratr' i Tsarazaza. Voalazan' ny tantara fa maty avokoa izy rehetra nandritra ny fanafihan' Andrianampoinimerina.

Azo anovozan-kevitra hanova

  • Callet, Rév. P., Tantara ny Andriana eto Madagascar, Imprimerie officielle, 1908, 1243 p. (Tome I, II et III)
  • Fontoynont et Raomandahy, Les Andriana du Vakinankaratra, Imprimerie officielle, Antananarivo, 1941
  • Handfest, Charles, Histoire du Fisakàna (Betsileo du Nord), Antananarivo, 1950, 12 p.
  • Rainihifina, Jessé, Tantara Betsileo, Librairie Ambozontany, Fianarantsoa, 1975, 240 p.
  • Rajohanesa, Rina, Tantaran-dRainivelo Rainimboafiringa (1844-1934) sy Ambohimanandriana, Ambohimanandriana – Sahamadio, Édition juillet 2002, 33 p.
  • Ralaimihoatra, Edouard, Histoire de Madagascar, quatrième édition, Éditions de la Librairie de Madagascar, Antananarivo, 1982, 340 p.
  • Randriamamonjy, Frédéric, Tantanran’ i Madagasikara isam-paritra, Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy, Antananarivo, 2006, 587 p.
  • Randrianarisoa, Pierre-Marie Ny Maraina, Histoire de la Lignée royale du Fisakàna, des origines à la postérité, Antananarivo, 2009, 46 p.
  • Randriamihajanirina, Daniel, Fisakàna tsa hanim-boay!..., Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy, Antananarivo, 2000, 130 p.

Jereo koa hanova