Revôlisiôna Indostrialy
Ny Revôlisiôna Indostrialy dia dingana ara-tantara tamin' ny taonjato faha-19 izay nanova ny fiarahamonina nanjakan' ny fambolena sy ny fiompiana ary ny taozavatra ho amin' ny fiarahamonina anjakan' ny varotra sy ny indostria. Noho izany, io fiovana io, izay notarihin' ny firoboroboan' ny fitaterana an-dalamby tamin' ny taona 1840, dia nisy fiantraikany lalina teo amin' ny fambolena sy ny fiompiana, teo amin' ny toekarena, teo amin' ny lalàna, teo amin' ny pôlitika, teo amin' ny fiarahamonina ary ny teo amin' ny tontolo iainana.