Ranon-javamaniry

(tonga teto avy amin'ny Ranon-kazo)

Ny ranon-javamaniry na ranon-kazo, ao amin' ny bôtanika sy ny fiziôlôjian' ny zavamaniry, dia ranoka mivezivezy noho ny fiasan' ny sela manokana mpitatitra an' izany, eo anelanelan' ny taovan-javamaniry samihafa, izay mitatitra ny singa misy otrikaina ilaina amin' ny fitomboan' ny zavamaniry sy amin' ny fitsinjarana indray ny akora ôrganika vokarina amin' ny alalan' ny fôtôsintezy. Misy karazany roa ny ranon-javamaniry, dia ny ranon-javamaniry voahodina sy ny ranon-javamaniry tsy voahodina. Eo amin' ny tenan' ny zavamaniry iray manontolo, ny fifanakalozana etona eo amin' ny ravina (fôtôsintezy sy famoahana hatsembohana) no niandohan' ny fikorianana roan' ny ranon-javamaniry izay mivezivezy amin' ny lalana mifanohitra ao amin' ny rafitra mifamadika.

Ranon-javamaniry avy amin' ny tahon' ny Cnidoscolus urens.

Jereo koa

hanova