Ny pirônisma dia sekolin-kevitra grika taloha momba ny skeptikisma na fisalasalana filôzôfika izay mandà ny dôgma (na tenim-pinoana) sy manohana ny fampiatoana ny fitsarana momba ny fahamarinan' ny finoana rehetra. I Ainesidemôsy (Αἰνησίδημος / Ainêsidêmos na Αἰνεσίδημος / Ainesidêmos) no nanorina azy tamin' ny taonjato voalohany tal JK. ary voalaza fa nahazo aingam-panahy avy amin' ny fampianaran' i Pirôna (Πύρρων / Pyrrôn) sy i Timôna avy any Filiôsy (Tímōn ho Phliásios) tamin' ny taonjato fahefatra tal JK. Ny pirônisma dia fantatra indrindra amin' izao fotoana izao amin' ny alalan' ny sangan'asan' i Sekstôsy Empirikôsy (Σέξτος Ἐμπειρικός / Sextos Empeirikos), izay nosoratana tamin' ny faramparan' ny taonjato faharoa na fiandohan' ny taonjato fahatelo taor JK. Ny famoahana ny sanganasan' i Sekstôsy tamin' ny Renaissance dia nandrehitra ny fifohazan' ny fahalianana amin' ny skeptikisma ary nitana anjara toerana lehibe tamin' ny fandinihana tamin' ny Fanavaozana Prôtestanta sy ny tamin' ny fivoaran' ny filôzôfia môderina tany am-boalohany.

I Pirôna