I Pierre Dalmond dia pretra sy misiônera katôlika frantsay, izay lasa Prefe Apôstôlikan' i Madagasikara. Voatendry ho vikera apôstôlikan' i Madagasikara ihany koa izy sy eveka tpompon-toeran' i Pella, saingy maty talohan' ny nahazoany izany izy. Teraka tamin' ny 16 Desambra 1800 tao Ambialet (any Frantsa) izy ary maty tamin' ny 22 Septambra 1847 tao Ambodifotatra (eto Madagasikara). Niara-niasa tamin' i Henri de Solages izy tanty Madagasikara.

Ny sary sokitra maneho ny mpanjaka Tsimandoho sy i Dalmond tao Nosy-Be

I Pierre Dalmond dia naorina ny fiangonana katôlika voalohany izay naharitra teto Madagasikara, tamin' ny taona 1837 tao amin' ny nosy Sainte-Marie izay teo ambany fitondran' ny Frantsay nandritra ny efa ho zato taona. Voatendry ho Prefe Apôstôlikan' i Madagasikara izy tamin' ny Desambra 1841. Nodimandry teo amin' ny faha-47 taonany i Pierre Dalmond tamin' ny 22 Septambra 1847 tao Ambodifotatra (Sainte-Marie ,Madagasikara). Ao amin' ny fiangonana katôlika Ambodifototra no nanevenana azy.

Jereo koa

hanova