I Henri de Solages dia pretra misiônera katôlika frantsay, mpisava lalana amin' ny asa fitoriana ny vaovao mahafaly teto Madagasikara izay nahatongavany amin' ny maha prefe apôstôlikan' i Bourbon sy i Madagasikara ary i Ôseania (izay samy mbola tsy nahaforona diôsezy). Maty tsy nahavita ny asa nanirahana azy izy. Teraka tamin' ny 21 Aogositra 1786 tao Rabastens ary maty nisy namono tamin' ny 8 Desambra 1832 tao Andevoranto (eto Madagasikara) izy. Ny anarany feno dia Gabriel Henri Jérôme de Solages de Robal.

Henri de Solages

Tantarany taty Madagasikara

hanova

Tamin' ny taona 1830 i Henri de Solages dia notendren' i Rôma ho Prefe Apôstôlikan' i Bourbon sy i Madagasikara ary i Ôseania. Taorian' ny fanendrena azy dia naiteny tamin' i abe Pierre Dalmond i Henri de Solages mba hiaraka aminy. Tonga tao Bourbon ireo misiônera roa ireo tamin' ny volana Janoary 1831. Nankinin' i Henri de Solages tamin' i Pierre Dalmond ny paroasy iray, ary rehefa nanapa-kevitra ny hankaty Madagasikara izy, dia notendrena ho prefe lefitra. Tonga tao Tamatave tamin' ny 17 Jolay 1832 i Henri de Solages, dia tojo fahasahiranana lehibe, indrindra noho ny tsy fitokisan' ny mpanjakavavy Ranavalona I vokatry ny fitakian' ny Eorôpeana eto amin' ny Nosy sy ny fitoriana ny filazantsara amin' ny mponina teto. Nikasa ny hihazo an' Antananarivo izy mba hihaona amin' ny mpanjaka, kanjo nosamborina sy nohidiana tao amin' ny trano kely iray tao Andevoranto izy, ary norarana ny mponina tsy hanampy azy fa izay manao izany dia hiharan' ny fanamelohana ho faty. Tsy tenteraka ny fanorim-ponenany, dia maty nitokana tamin' ny 8 Desambra 1832 izy.

Jereo koa

hanova