Ambodifototra

(tonga teto avy amin'ny Ambodifotatra)

Ambodifototra na Ambodifotatra no tanàna lehibe indrindra sy renivohitry ny nosy Sainte-Marie na Nosy Boraha, eto Madagasikara.

Toeram-pandevenana misy ny fasan' ny jiolahin-tsambo ao Ambodifotatra

Tantara

hanova

Nipetraka tao amin' io helodrano io ny jiolahin-tsambo ary nanamafy azy tamin' ny manda fiarovana io tamin' ny taonjato faha-17. Betsaka ny sisam-paharavan' ny sambon-jioahy hita ao amin' io helodrano io ary ny zavatra hita tao dia tehirizina ao amin' ny tranombakoky ny nosy Madame.

Eo amin' ny fivoahana atsimon' ny nosy Sanite-Marie no misy ny fiangonana katôlika malagasy tranainy indrindra. Izy io dia naorina tamin' ny taona 1857 noho ny fandraisana andraikitra nataon' i Mgr Dalmond, eveka voalohany teto Madagasikara. Fanomezana avy amin' ny emperora vavy Eugénie de Montijo (vadin' i Napoléon III) ny ôteliny vita amin' ny vy anidina.

Ny manda fiarovana tranainy ao Sainte-Marie dia naorin' ny Compagnie française des Indes Orientales tamin' ny taona 1750. Avy eo dia nampiasain' ny fitondrana mpanjana-tany ho toeram-pamaizana nanomboka tamin' ny taona 1903 ka hatramin' ny 1956.

I Pierre Dalmond (1800-1847), misiônera katôlika, eveka voalohany teto Madagasikara, dia nodimandry tao amin' ny hôpitalin' ilay tanàna. Ao amin' ny fiangonana katôlika Ambodifototra no nametrahana ny razana.

I Sylvain Roux (1765-1823), mpivarotra andevo mainty hoditra, izay nalefa tamin' ny 1818 mba hanamafy ny fitakian' ny Frantsay momba ny nosy Sainte-Marie, dia matin' ny tazo tao tamin' ny taona 1823. Nisy tsangambato ho fahatsiarovana an' i Sylvain Roux naorina tsy lavitra ilay manda.

Jereo koa

hanova