Persepôlisy

(tonga teto avy amin'ny Persepolisy)

I Persepôlisy dia iray amin’ ny renivohitr’ i Persia fahiny, renivohitra ara-pivavahana tamin' ny Fanjakana Akemenida 50 tal. J.K.) izy. Ao Takht-e Jamshid, 75 km avaratra-andrefan' i Shiraz, faritanin' i Fars ao Iràna, ny sisam-paharavany. Ao amin' ny lemaka Marvdasht no misy azy io, voahodidin' ny tendrombohitra Zagros.

"Vavahadin' ny Firenena Rehetra" tany Persepôlisy
Dariôsy Lehibe, sary nataon' i Eugène Flandin (1840).
Ireo renivohitry ny Fanakana Akemenida

Nantsoin’ ny Persiana hoe Parsa izy io, ary nampiasaina tamin’ ny fotoana nanjakan’ i Dariôsy I Lehibe (faran’ ny taonjato faha-6 tal. J.K.), mpanorina azy, ho fonenan’ ny mpanjaka akemenida. Ahitana ny sisam-paharavan' ny fanorenana maro be ilay toerana. Ny lapa sy ny efi-trano fanatrehana fitsarana (Apadana) an' i Dariôsy I dia voaravaka sary sokitra mampiseho ny fombafomban' ny fitsarana akemenida.

Ny telo ambin' ny folo amin' ny andry vato goavam-be ao amin' ny Apadana no mbola mijoro, ary naverin' ny arkeôlôga amin’ ny endriny taloha ny tohatra roa sosona lehibe eo aminy, izay voatahiry tsara ao amin' ny ilany atsinanana. Ao Naksh-e Rustam, 6 km avaratra-andrefan’ i Persepôlisy, no misy ny fasan’ ny mpanjaka akemenida. Noravann' i Aleksandra Lehibe sy nodorany i Persepôlisy tamin’ ny taona 330 tal. J.K.