Ny paiso dia voankazo fihinana, be nofony, mamy, azo avy amin' ny zavamaniry mitovy anarana aminy izay atsoina amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Prunus persica. Voankazo boribory, nofosana sy mamy ary be ranony ny voam-paiso rehefa masaka. Misy vihy mafy ny ao afovoan' ny voam-paiso, hodidinin' ny nofony, ka mety miraikitra na tsia amin' ny nofony io vihy io, arakaraka ny karazam-paiso. Ny hoditry ny voam-paiso dia mety misy volovolony na malaman arakaraka ny karazam-paiso ihany koa. Efa azo akana voany ny foto-paiso iray rehefa feno fito hatramin’ ny sivy taona.

Voam-paiso

Mahatratra 300 any ho any ny karazana paiso, ka ny voan’ ny sasany misy hodiny voloina miloko mavo na fotsy sady misy vihy tsy miraikitra amin’ ny nofony, ny voan’ ny sasany voloina ihany koa nefa miraikitra amin’ ny hodiny ny vihiny, ny voan’ ny sasany malama hoditra sy misy vihiny tsy miraikitra amin’ ny nofony, ny voan’ ny sasany malama hoditra sy misy vihiny miraikitra amin’ ny nofony.

Jereo koa hanova