Ny ora dia ventim-pandrefesam-potoana lehibebe ihany, izay maharitra 60 minitra (60 mn) na 3 600 segondra (3 600 s). Misy 24 ora ny ao anatin' ny andro iray. Ankehitriny dia amin' ny misasakalina no misy ny ora 0 na 24 ora, ary amin' ny mitataovovonana no misy ny amin' ny 12 ora.

Famantaranora mampiasa aloka

Amin' ny teny malagasy dia ampiasaina koa ny teny hoe "adim-pamantaranandro" na "adiny" na mba hilazana ny ora. Ohatra: fiteny ny hoe "adiny iray", "adiny roa" sns (izay azo soloana ny hoe "ora iray", "ora roa", sns); fiteny koa ny hoe "antsasak 'adiny" izay sarotra soloana amin' ny hoe "antsasak' ora".

Jereo koa hanova