Oniversiten' i Mahajanga
Oniversite Mahajanga | |||
Teny filamatra | "Discipline - Cohésion - Excellence" | ||
Niorina | 1977 | ||
Karazany | Fanjakana | ||
Toerana | Mahajanga | ||
Firenena | Madagasikara | ||
Faritra | Faritra Boeny | ||
Toby | Ambondrona | ||
Filoha | Emmanuel Andrianony Rakotoarivony
| ||
Isan'ny mpianatra | 5000 | ||
Tranokala | http://www.univ-mahajanga.edu.mg | ||
Ny Oniversite Mahajanga dia sekolim-panjakana ambaratonga ambony, miorina ao Mahajanga renivohitra faritra Boeny any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara no misy azy.
Tantara
hanovaNaorina tamin'ny taona 1977, ny sekoly mianatra momba ny fahasalaman'ny nify na l'École supérieure de chirurgie dentaire (ESCD) no nisokatra voalohany tamin'izany. Ny Profesora George Rahoelina Rakotoarivelo no filoha nitantana ny Oniversite Mahajanga voalohany. Ny taona 1982 teo no nisokatra ireo sampana hafa toy ny sokajy fianarana momban'ny fahasalamana ankapobeny na médecine générale sy ny siansa natoraly ka ireo sampana roa ireo no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taona 1983 tao Mahajanga ihany.
Sampam-piofanana
hanovaMiankina
hanovaNy Oniversite Mahajanga [1] dia ahitana sokajy roa miankina :
- Fianarana Fitsabona na "Faculté de médecine"
- Siansa Natoraly (Biolojia, tontolo iaina, fambolena, fiompina, ...) na "Faculté des sciences"
Tsy miankina
hanovaBetsaka ny sokajim-piofanana izay andoava-mbola hita ao amin'ny Oniversite Mahajanga[2] :
- Institut Universitaire de Gestion et de Management (IUGM)
- Institut Biologie Appliquée (IBA)
- École de Droit et Science Politique (EDSP)
- École de Tourisme (ET)
- École de Langue et de Civilisation (ELC)
- ISSTM
- EATP
- Institut d'odontostomatologie tropicale de Madagascar
Krizy
hanovaTaona 2009 - 2010
hanovaNy taona 2009, nisy ny fitokonan'ireo mpianatra nitaky vatsim-pianarana, tamin'ny taona 2010, dia natao ny fifidianana filoha vaovao dia ny Profesora Rabesa Zafera Antoine[3] no lany hitondra ny Oniversite Mahajanga.
Taona 2014
hanovaNanomboka ny taona 2010 no nitondran'ny Profesora Rabesa Zafera Antoine, niroborobo ny fandrosoan'ny Oniversite Mahajanga, nitombo ny sampam-pianarana. Taty amin'ny taona 2014 dia ravana avokoa ireo foto-drafitr'asa natao ary tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany. Akehitriny dia anatin'ny krizy sady fitondrana tetezamita tanteraka ny Oniversite Mahajanga.
Lisitra sampam-piofanana
hanovaMiankina amin'ny fanjakana | Tsy Miankina amin'ny fanjakana |
---|---|
Faculté des médecines | Institut Universitaire de Gestion et de Management (IUGM) |
Faculté des sciences | Institut Biologie Appliquée (IBA) |
École de Droit et Science Politique (EDSP) | |
École de Tourisme (ET) | |
École de Langue et de Civilisation (ELC) | |
ISSTM | |
EATP | |
Institut d'odontostomatologie tropicale de Madagascar |
Rohy ivelany
hanova- ((fr)) Trano kala
Jereo koa
hanovaTsiahy
hanova
|