Onilahy (ony)

(tonga teto avy amin'ny Onilahy (renirano))

I Onilahy na Oñelahy na Oñilahy dia renirano any amin' ny faritra atsimo-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny faritanin' i Toliara. Mahatratra 31 600 km2 ny lemaka azony sy ireo rano anompo azy tondrahana, 145 m3/s ny habetsahan' ny korian-dranony ary 400 km any ho any ny halavany ary any amin' ny 1 000 m any ny haambon' ny toerana ipoiran' ny loharanony any amin' ny distrikan' i Betroka. Izy no mametra avy ao avaratra ny faritra onenan' ny Mahafaly.

I Onilahy
Fizoran' i Onilahy mankany amin' ny helodranon' i Soalara
Ny helodranon' i Soalara ivarinan' i Onilahy

Ny rano mamatsy azy avy ao amin' ny ilany ankavia dia Isoanala, Ianapera, i Sakoa ary i Sakamena, fa ny avy ao amin' ny ilany ankavanana ao avaratra kosa dia Imaloto, i Sakamare, i Taheza ary i Sakondry. Mamakivaky lohasaha lalina i Onilahy ary mivarina mitsotsorina tampoka any amin'ny helodranon' i Soalary (na Saint Augustin) (35 km atsimon' i Toliara) ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika noho ny fitohizan' io lohasaha lalina io any an-dranomasina. Ny ampahan' ilay lohasaha ao andrefan' i Tongobory dia ahitana fambolem-bary sahan' ny tantsaha antanosy.

Jereo koa hanova

Fanovozan-kevitra hanova