Ntaolo malagasy

dia ireo razam-be tany aloha. Mitory fanajana sy fankatoavana ny fahendreny ihany koa ny fampiasana ny teny hoe Ntaolo

Ny Ntaolo malagasy dia ireo razamben' ny Malagasy tany aloha, izay niaina talohan’ ny vanim-potoana nisian' ny soratra. Lovantsofina no fomba niampitampitana ny tantara tamin’ ny taranaka mifandimby tamin’ izany vanim-potoana izany. Mitory fanajana sy fankatoavana ny fahendreny ny fampiasana ny teny hoe Ntaolo. Araka izany dia manana ny hajany teo amin' ny fiarahamonina malagasy tokoa izany hoe Ntaolo izany.

Ny fototenin' io teny io dia ny hoe aolo, izay midika hoe "aloha", sady nandrafetana ihany koa ny teny hoe anoloana. Ny hoe ntaolo dia entina ilazana ireo nialoha lalana (razambe). Raha ara-bakiteny, ny mifanohitra amin' ny teny hoe ntaolo dia ny hoe (n)tafara izay entina milaza ireo avy sy ho avy aoriantsika (taranaka, fara sy dimby). Ny Tandroy no tena mahay manonona azy amin' ny fomba mampivoitra ilay fototeny.

Jereo koa

hanova