Ny Nizarita, Nizariana, na Nizary dia Mozilmana siita ismaily mistika navitrika teo anelanelan' ny faran' ny taonjato faha-11 sy ny taona 1257. Tamin' ny taona 1094, taorian' ny fisarahana lehibe tao amin' ny siisma ismaeliana fatimida dia nisy fitorianteny vaovao (da'wa al-jadîda) nokarakarain' i Hasan-i Sabbah, avy ao amin' ny manda fiarovana naorina teo amin' ny Tendrombohitra Alamût, ao atsimo-andrefan' ny Ranomasina Kaspiana.

Tamin' ny fiafaran' ny Andro Antenatenany, ny fivoaran' ilay vondrom-piarahamonina ismaily dia nitohy mangingina teo ambanin' ny saron' ny sofisma ary nifanandrify amin' ny firongatry ny ismailisma tatsinanana (15 tapitrisa ny isan' ny mpino ankehitriny), notarihin' ny Aga Khan.

Jereo koa

hanova