I Nebokadnesara IV na Nebokadnezara IV na Nabokôdônôzôra IV, izay fantatra ihany koa amin' ny anarany tany am-boalohany Arakha dia olo-manan-kaja avy amin' ny taranaka orartiana (armeniana) izay naka ny fahefana tany Babilôna tamin' ny taona 521 tal. J.K., lasa mpanjakan' ny tanàna izy ary nitarika fikomiana tamin' ny Empira Akemenida persiana. Nanomboka ny fikomiany, herintaona latsaka taorian' ny fikomiana tsy nahomby nataon' i Nebokadnetsara III, ary toy ny mpanjaka teo alohany, i Arakha dia nandray ny anarana hoe Nebokadnetsara ary nilaza ho zanakalahin' i Nabônida, ilay mpanjakan' i Babilôna nahaleo tena farany.

I Nebokadnetsara IV sy ny soratra mifandraika amin' izany ao amin' ny Soratsokitr' i Behistun nataon' i Dariôsy I

Ny ankamaroan' ny takela-bato misy soratra miendri-pantsika izay manaiky ny naha mpanjaka an' i Nebokadnezara IV dia avy any Babilôna mihitsy, nefa misy tahiarin-kevitra hafa milaza azy fa avy any amin' ny tanàna hafa toa an' i Uruk sy i Borsippa ary nety ho nekena ho mpanjaka tany amin' ny ampahany be amin' i Babilônia afovoany sy atsimo. Ny tanàna tany avaratra, toa an' i Sippar, dia mbola nanaiky ny fitondran' ny persanina nandritra ny fotoana nanjakan' i Nebokadnetsara IV. Taorian' ny fahirano nataon' ny jeneraly persianina Intaphrenes dia azon' ny Persiana indray i Babilôna tamin' ny 27 Nôvambra 521 tal. J.K. ary novonoina ireo mpanohana azy.

Ny anarany hanova

Amin' ny fiteny babilôniana dia Nabûkudurrîutsur no fiantsoana an' i Nebokadnetsara. Avy amin' ny fehezanteny akadiana hoe Nabou-kudurri-usur ny anaran' i Nebokadnetsara. Io dia midika hoe "Ry Nabu, arovy ny lahimatoako!". I Nabu dia andriamanitry ny fahendrena babilôniana sady zanaky ny andriamanitra Mardoka (Marduk).   

Jereo koa hanova