Mohammad Ali Shah

(tonga teto avy amin'ny Mohammad Ali Shah Qajar)

I Mohammad Ali Shah na Mohammad Ali Shah Qajar dia shah iraniana nanomboka tamin' ny 8 Janoary 1907 ka hatramin' ny 16 Jolay 1909. Teraka tamin' ny 21 Jona 1872 tao Amol izy ary maty tao Sanremo any Italia tamin' ny 8 Avrily 1925. Amin' ny teny persana izy dia atao hoe محمدعلی شاه قاجار.

Mohammad Ali Shah

Nanohitra ny lalàm-panorenana nankatoavina nandritra ny fitondran' ny rainy Mozaffar ed-Din Shah izy. Nandrava ny Antenimiera izy ary notohanan' i Rosia miaraka amin' ny brigady kôsaka. Na izany aza, nialana tamin' ny fitondrana izy ka ny zanany lahy Ahmad Shah Qadjar no nandimby azy, taorian' ny Revôlisiôna momba ny Lalàm-panorenana. Tsaroana ho mariky ny fitondrana jadona izy. Nisesitany tany Rosia izy ary tsy nahomby ny ezaka nataony hiverenana amn' ny fitondrana. Ny zanany lahy, Ahmad Shah Qadjar no mpandova farany ny tarana-mpanjaka Kajara.

Jereo koa hanova