Ny mofom-pandraisana, amin' ny litorjia kristiana, dia mofo tsy misy masirasira izay hamasinin' ny mpitondra fivavahana mandritra ny fankalazana ny Eokaristia na ny Fanasan' ny Tompo sy zaraina amin' ny mpino mandritra ny fandraisana izany. Ao amin' ny teôlôjia katôlika, ny mofom-pandraisna dia lasa vatan' i Kristy izay natsangana tamin' ny maty, ary ankalazaina amin' ny andron' ny Paka (na Paska) ny fitsanganany amin' ny maty.

Mofom-pandraisana ao amin' ny Eglizy Katôlika