Mississippi (ony)

(tonga teto avy amin'ny Mississipi (renirano))

I Mississippi dia ony any Amerika Avaratra izay mamakivaky ny afovoan' i Etazonia. Mikoriana avy any amin' ny faritra avaratr' i Minnesota mankany amin' ny Hoalan' i Meksika. I Mississippi dia manana halava 3 766 km: ny sakelidranony atao hoe Missouri, no lava indrindra any Amerika Avaratra. Atao hoe Mississippi River izy amin' ny teny anglisy. Ny velaran' ny sahan-dranony dia mahatonga an' i Mississippi ho anisan' ny ony manan-danja indrindra eran-tany ary ny sahandranon' i Missouri-Mississippi ho anisan' ny lehibe indrindra eran-tany. Nandritra ny vanim-potoana talohan' ny fahatongavan' ny Eorôpeana, i Mississippi dia efa natao lalana ifamoivoizana, ka nantsoin' ny Ôjiboe hoe misi-ziibi, izay midika hoe "renirano lehibe", ny tapany ambony, Manara-maso azy io ny Mississippi Valley Division sy vaomiera federaly iray noforonina tamin' ny taona 1879. Ity ony ity dia mijanona ho anisan' ny fototry ny toekarena sy kolontsain' i Etazonia ankehitriny.

Sarintany maneho an' i Mississipi
I Mississipi hita avy ao antsimon' ny Saint-Louis

Raha ampitahaina i Mississippi sy i Missouri, manomboka any amin' ny loharanon' izy ireo ka hatrany amin' ny fihaonan' izy ireo any akaikin' i Saint-Louis, dia hita fa i Missouri dia lava kokoa noho i Mississippi: 3 767 km ny voalohany ary 1 862 km ny faharoa. Amin' ny fanampiana ny halavan' i Missouri amin' ny an' ny ampahany amin' ilay ony izay manomboka eo amin' ny fihaonana Missouri-Mississippi hatrany amin' ny Hoalan' i Meksika, dia mahazo 5 971 km, izay mahatonga an' i Missouri-Mississippi ho ony fahefatra lava indrindra eto amin' izao tontolo izao (eo alohany ny tohin-drano Amazona-Río Ucayali-Río Apurímac sy ny tohin-drano i Nily-Bahr el-Abiad-Kagera ary i Yangzi Jiang (Ony Manga).

Jereo koa

hanova