Mishnah

(tonga teto avy amin'ny Misnà)

Ny Mishnah na Mishna na Misnà dia ny fanangonan-dalàna am-bava jiosy voalohany sady literatiora rabinika voalohany. Tamin' ny taonjato faha-3 taor. J.K no nanaovan' i Juda Hanassi ny fanangonana, izay voasoratra tamin' ny teny hebreo, afa-tsy andininy vitsivitsy amin' ny fiteny arameana, sady mitanisa ireo hevitra sy ady hevitra ary koa ny famahana ara-dalàna nataon' ny Tanaima (hebreo: תנאים / Tanaim "mpamerimberina") momba ny zavatra andidian' ny Torah, ka alahatra araka ny lohahevitra, misy toko enina sady voatsinjara ho lohahevitra (hebreo: מַסֶּכְתּוֹת / massekhtot) miisa 63.

Atao hoe מִשְׁנָה / Mishnah izay midika hoe "fandinihana miverimberina" na "famerimberenana" ny Mishnah amin' ny teny hebreo.

Ny teny hoe Mishnah (manomboka amin' ny sora-baventy) dia manondro ny asa soratra nanangonana ny andininy anarivony maro, fa ny mishnah na mishnayot (manomboka amin' ny sora-madinika) dia manondro ny andininy tsirairay. Ny Talmud dia manondro koa ireo andininy izay tsy tafiditra ao amin' ny Mishnah nefa mitambatra ho fanangona hafa manokana, izay atao hoe braitot. Ny fanehoana ny mishnayot sy ny fivoasana azy, izay atao hoe gemarà, dia mitambatra ka manome ny votoatin' ny Talmud.

Jereo koa hanova