I Metatrôna na Matatrôna dia anjely ao amin' ny jodaisma voalaza intelo ao amin' ny Talmud, ao amin' ny andalan-tsoratra fohy vitsivitsy amin' ny Agadà, ary ao amin' ny lahatsoratra kabalistika mistika ao anatin' ny literatiora rabinika. Io anjely io dia anisan' ny soritra manaporofo ny fisian' ny fironana doalista ao amin' ny fahitana manandratra ny finoana andriamanitra tokana na ao amin' ny Tanakh na ao amin' ny foto-pampianarana kristiana taty aoriana. Atao hoe  מֶטָטְרוֹן‎ / Meṭāṭrōn na מַטַּטְרוֹן‎ / Maṭṭaṭrōn izy amin' ny teny hebreo. Ny anarana hoe Metatron dia tsy voalaza ao amin' ny Torah na ny Baiboly ary ny fomba niandohan' ilay anarana dia mbola iadian-kevitra. Ao amin' ny lovantsofina silamo dia fantatra ihany koa amin' ny teny arabo hoe ميططرون / Mīṭaṭrūn ity anjelin' ny fiambenana ity.  Ao amin' ny lovantsofim-bahoaka dia izy no ambony indrindra amin' ny anjely ary manompo toy ny ny mpanoratry ny lanitra na "anjely mpirakitra an-tsoratra". Ao amin' ny apôkrifa jiosy sy ny ao amin' ny Kabala tany amboalohany, Metatrôna no anarana noraisin' i Henôka taorian' ny fiovany ho anjely.

Jereo koa hanova