I Merneptà na Mineptà na Merenptà dia faraôna na farao fahefatra tao Ejipta nandritra ny Empira Vaovao, tamin' ny Andro Taloha, tao amin' ny dinastia faha-19 (1213 - 1203 tal. J.K.), zanakalahy fahatelo ambin' ny folon' i Ramsesy II, teraka teo anelanelan' ny taona 1269 sy 1262 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 1203 tal. J.K. Nandova firenena efa tonga tamin' ny fara-tampon' ny voninahiny izy, nanjaka tamin' ny ampahany be amin' ny faritra, izay avy amin' ny fotoana nanjakan' ny fandriam-pahalemana maharitra vokatry ny fifanaraham-fandriam-pahalemana nosoniavina miaraka amin' ny Hitita (na Hetita), izay firenena matanjaka hafa amin' izao fotoana izao. Niroborobo fatratra ilay firenena avy eo ary rakotra tsangambato lehibe ho fanomezam-boninahitr’ ireo andriamanitra sy ny faraôna (na farao). Izany fitoniana izany dia mampametra-panontaniana ihany noho ireo loza vaovao tsy maintsy natrehin' i Merenptà nanomboka tamin' ny tenatenan' ny fitondrany tamin' ny taona 5 nandritra ny fikasan' i Libiana (izay nihavana tamin' ireo Vahoakan' ny Ranomasina) hanani-bohitra mafy an' ilay firenena. Nivoaka ho mpandresy tamin' io fitsapana io izy ary namerina ny herin' ny fireneny tamin' ny sisin-taniny rehetra.

Sarivongan' i Merenptà hita tao amin' ny tempoly ao Luxor - Mozean' i Luxor.

Misy mpanoratra mihevitra fa mety izy ilay faraôna nifanohitra tamin' i Mosesy na Môizy nandritra ny fivoahan' ny Zanak' i Israely avy any Ejipta.

Nanomboka tamin' ny fahafatesany ny olana tamin' ny fandovana fitondrana teo amin' ny tarana-mpanjaka izay nitranga noho ny fotoam-pitondran-drainy lava loatra sy noho ny hamaroan' ny zanaka tao amin' ny fianakavian' ny mpanjaka, izay tsy maintsy niady hihazona ny seza fiandrianana.