MediaWiki dia rindrankajy wiki iray manana ny lisansy GNU General Public License na GPL. Nosoratana tamin'ny PHP ary mitaky banky angona MySQL. Tany am-boalohany dia ho an'i Wikipedia, raki-pahalalana malalaka mampiasa wiki, no namoronana azy, fa ankehitriny kosa dia efa fitaovana fanta-daza sy be mpampiasa, iray amin'ireo ankafizin'ny mpampiasa wiki indrindra. Ankehitriny ohatra, dia ny tetikasa rehetra an'ny Wikimedia Foundation, ny wikis rehetra ao amin'i Wikia, ary wiki ngeza maro no mampiasa azy.[1] Fantatra koa fa misy orinasa mampiasa azy hizarana fampahalalana anatiny na ataony CMS. Iray hosinganina amin'ireny i Novell.

MediaWiki
MediaWiki
  MediaWiki
Mpamolavola:Wikimedia Foundation Inc.
OS (SE):Cross-platform
mampiasa: Wiki
Lisansy:GPL
Sehatra: www.mediawiki.org

Maro ny zavatra vitan'i MediaWiki, ary afaka tovanana ihany koa izany fitaovana miaraka aminy izany. Noho ny lanja lehibe ananan'ny fampiasana tenim-pirenena maro amin'ireo tetikasa Wikimedia dia niitatra tany amin'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa io lanjan'ny fahafahana mampiasa tenim-pirenena maro io. Ireo teny sy fanazavana ifandraisan'ny mpitsidika sy ny solosaina dia voadika ampahany na manontolo amin'ny tenim-pirenena mihoatra ny 70, ary mbola afaka ovain'ny mpitantana ny sehatra izany avy eo na hatsarainy (eo anivon'ny wiki ihany no anaovany izany fanovàna izany). Ary satria koa iray amin'ireo sehatra ngeza indrindra eran-tany i Wikipedia, dia lahasa iray ho an'ny mpamolavola ny rindrankajy ihany koa ny momba ny cache sy replication amin'ny banky angona.

Tantara hanova

Tany am-boalohany dia ny mpianatra tao amin'ny anjerimanontolon'i Köln any Alemaina sy i Magnus Manske no nanoratra ny rindrankajy MediaWiki ho an'ny tetikasa Wikipedia. Talohan'izay dia rindrankajy wiki kely iray atao hoe UseModWiki, nosoratana tamin'ny Perl no nampiasain'i Wikipedia. Tamin'ny 25 janoary 2002 no novaina nampiasa ilay rindrankajin'i Manske i Wikipedia mba hampiasa fotodrafitrasa mora mivelatra kokoa (izany hoe banky angona MySQL) sy hananana fitaovana vaovao. Na izany aza anefa, nahitana tsi-fetezana vitsivitsy teo amin'ny fahombiazana ny tao voalohany an'ilay rindrankajy, ary nisy fanamboarana nataon'i Lee Daniel Crocker. Tato aoriana dia noraisin'i Brion Vibber ny andraikitry ny fandaminana ny taon'ny rindrankajy ary izy rahateo no mavitrika indrindra amin'ny mpamolavola azy.

Hatramin'ny tao voalohany nataon'i Manske dia maro ny anarana noentin'ny rindrankajy izay maneho ny dingana vita amin'ny famolavolana azy—"the PHP script", "phase II", "phase III", "the new codebase"—fa tsy mbola nanana ny anarany amin'ny maha vokatra azy. Taorian'ny 20 jiona 2003 nilazana ampahibemaso ny fitsanganan'ny Wikimedia Foundation, dia nosafidian'ilay mpikambana amin'ny Wikipedia atao hoe Daniel Mayer ny anarana hoe "MediaWiki", anarana izay hita misy ifandraisany amin'ny hoe Wikimedia rahateo, [2] ary notovanana ny dingana vita hatramin'ny aogositra 2003. Miteraka fifangaroana matetika ny anarany noho izy mifanakaiky amin'ny hoe "Wikimedia" (izay mitovitovy amin'ny hoe "Wikipedia" rahateo). Na izany na tsy izany kosa dia nahitana valiny mihoatra ny 370 tapitrisa ny fikarohana ny anarana hoe Mediawiki natao tamin'i Google ny volana jona 2006.

Ny logo dia sarina voninkazo nalain'i Florence Nibart-Devouard, izay fandraisana anjara iray tamin'ny fifaninana logo eran-tany ho an'i Wikipedia natao tamin'ny lohataona 2003. Laharana fahatelo tamin'io fifaninana io ity logo sarim-boninkazo ity, koa nofidiana haneho an'i MediaWiki, ny nahazo ny laharana faharoa no nomena ho logo-n'i Wikimedia Foundation raha ny laharana voalohany kosa no an'i Wikipedia. Ilay fonosana lehibe anankiroa manodidina ilay voninkazo dia marika anehoana ny fitsipi-panoratana ampiasain'i MediaWiki hanaovana rohy amin'ny pejy wiki hafa.


Mampiavaka an'i MediaWiki hanova

 
Endriky ny fanovana pejy amin'ny Firefox, MediaWiki 1.7, ahitana toolbar sy ohatra fitsipi-panoratana vitsivitsy.
Sary:Mediawiki-gallery.png
Afaka alamina anaty galeria ny sary, miasa be io amin'ny arsivan'ny sary sy feo-n'i Wikimedia, Wikimedia Commons.
 
Afaka mametraka JavaScript ho azy manokana ny mpikambana tsirairay. Nanjary nisy avy eo ny fitaovana vitsivitsy vita amin'ny JavaScript manampy ny mpikambana, toy ny pop-up, topi-maso kelin'ny lahatsoratra miseho rehefa mandalo eny ambony rohy eny ny korisa.
 
Semantic MediaWiki, iray amin'ireo tovana matanjaka indrindra hanampiana an'i MediaWiki mba hanampy rafitra ifandraisan'ny pejy wiki izay azo anaovana fikarohana.
Sary:Mediawiki-opensuse.png
Misy orinasa sasany mampiasa ny MediaWiki atao CMS. I Novell ohatra dia nanandrana azy tamin'ny iray amin'ireo vokatra atolony toy ny openSUSE.

Anisan'ny misongadina indrindra mampiavaka an'i MediaWiki amin'ireo rindrankajy wiki hafa (sy i UseModWiki ihany koa) ny fahafahana manao lohatenim-pejy araka izay tiana fa tsy misy fitsipika toy ny CamelCase arahin'ny rohy. Amin'ny wiki hafa, dia voafetra ny litera azo ampiasaina anaovana lohatenim-pejy (izany hoe anaran'ny rohy), ary tsy maintsy toy ny hoe "JaoJoby" na "TarikaJaojoby" no fanoratana azy. (Io no antsoina hoe CamelCase, toy ny fanoratana ny hoe AmbondronA : Miantomboka amin'ny renitsoratra ary ahitana renitsoratra hafa sy zanatsoratra ihany koa.) Amin'i MediaWiki kosa, atao ao anaty fonosana mahitsy anankiroa fotsiny ny rohy vaovao tiana hoforonina, dia azo ampiasaina ho lohatenim-pejy izay ao anatin'ireo fonosana ireo. Zava-dehibe loatra io fahafahana iray io amin'ny famolavolana raki-pahalalana satria ilaina mba tsy hisy diso tsipelina ny lohatenim-pejy.

Manampy amin'ny trangan-javatra maro hafa koa i MediaWiki mba handaminana ny rafitry ny votoatin'ny wiki. Iray amin'ny fitaovana manampy ny mpampiasa wiki sady fitaovana vaovao ny antsoina hoe namespaces na hadika tsotsotra hoe anaran-tsehatra. Olana iray naharitra teto amin'ny Wikipedia ny fomba hanasarahana ny votoatin'ny raki-pahalalana sy ny resaka momba izany ary koa ny pejy manokan'ny mpikambana milaza ny mombamomba azy. Noho izany dia namaritra sehatra maromaro ny MediaWiki mba hiavahan'ireo sokajin-drohy ireo, ary ny anaran-tsehatra dia tovona mialoha ilay anaram-pejy (toy ny hoe Dinika: na Mpikambana:), koa mety ahitana anaram-pejy iray any anatin'ireo sehatra ireo. Izany hoe ny pejy [[Rakoto]] dia mety ho lahatsoratra milaza ny momba ilay mpihira malagasy manao ilay hoe Ô ry zandry kely!, ary ny hoe [[Mpikambana:Rakoto]] kosa dia pejin'ny mpikambana iray izay nifidy ny solonanarana hoe Rakoto. Amin'ny ankapobeny, ny pejy rehetra dia manana pejy iray miaraka aminy ao anatin'ny sehatra Dinika:, izay ahitana resadresaka sy dinika momba ny votoatiny. Etsy ambany etsy misy lisitry ny anaran-tsehatra misy rehetra sy ny asany tsirairay avy.

Azo alaina sary an-tsaina toy ny hoe vata sarihina famdaminana fampahalalana arakaraky ny karazany ny anaran-tsehatra. Azo atao ny manampy sehatra vaovao, nefa amin'ny ankapobeny tsy dia mila sehatra betsaka loatra akory ny wiki.

anaran-tsehatra (tovona) asany
Special: Tovona maneho pejy manokana manao lahasa iray, ohatra "Special:Recentchanges" no ahitana ny hetsika farany rehetra ao anatin'ny wiki (pejy vao niova, pejy voafafa, mpikambana vaovao, ...).
Media: Tovona irohizana amin'ny sary na feo nalefa tao amin'ny wiki tsy mandalo amin'ny pejy misy ny famariparitana. Tsy toy ny pejy wiki mahazatra.
tsy misy tovana Ny pejy tsy misy tovana no manome ny tena votoatin'ny wiki.
Mpikambana: Pejy manokan'ny mpikambana ametrahany ny mombamomba azy.
Project: Matetika mitovy anarana amin'ny tetikasa ataon'ilay wiki ihany, ohatra "Wikipedia:". Ahitana ny fitsipika sy mombamomba ny tetikasa.
Sary: Fanampim-panazavana momba ny sary sy rakitra samihafa. Miaraka amin'ny fitaovana maro momba ny fikirakirana rakitra.
MediaWiki: Ireo teny sy hafatra eo amin'ny wiki, azon'ny mpitantana (sysop) ovaina.
Endrika: Lasitra asiana fampahalalana mety ho ampiasaina amin'ny tranga mihoatra ny iray, na karazam-pampahalalana mitovy firafitra, ka afaka faritana isaky ny ampiasàna azy ny mahasamihafa azy.
Fanoroana: Torolàlana momba ny fampiasana ny wiki.
Sokajy: Fanasokajiana lahatsoratra sy hanamboarana antanan-tohatr'izany sokajy izany (amin'ny alàlan'ny fanasokajiana ny pejy sokajy).
Dinika:, Dinika amin'ny mpikambana:, Project talk:, Dinika amin'ny sary:, sns. Resaka sy dinidinika maro miaraka amin'ny sehatra misy azy tsirairay. Ny "Media:" sy ny "Special:" ihany no anaran-tsehatra tsy manana seha-dresaka miaraka aminy. Ho an'ny resaka momba ny pejin'ny mpikambana manokana dia misy fanairana ny mpikambana ataon'ny MediaWiki isaky ny misy manova izany pejy izany.

Ho fanampin'izay dia misy koa ny atao hoe zana-pejy. Amin'ny pejy miendrika [[Pejy reniny/Pejy zanany]] dia ametrahan'i MediaWiki verindrohy mankamin'ny pejy reniny ho azy ao anatin'ity farany. Farany, afaka mamorona sokajy ihany koa ny mpikambana, ka ireo sokajy ireo dia mitovitovy amin'ny tags hita amin'ny sehatra maro amin'ny tranonkala, saingy manana rafitra sady miaraka amin'ny fanazavana fohy. Amin'ny wiki lehibe toy ny Wikipedia, dia nivelatra aoka izany io fisokajian'ny lahatsoratra io kanefa tsy misy drafitra maty paika akory napetraka hanaovana azy fa nanaraka io tetika io fotsiny.[3]

Ny teny sy hafatra rehetra eo amin'ny MediaWiki dia azon'ny mpitantana ny sehatra ovaina amin'ny alàlan'ny sehatra wiki ihany. Ao anatin'ny sehatra "MediaWiki:" no anaovana izany, ka ny lohatenim-pejy dia manondro hafatra na teny iray miseho amin'ny mpitsidika. Tany am-boalohany dia nampiasaina nanao ny asan'ny "Endrika:" ihany koa io "MediaWiki:" io.

Ny lasitra kosa (Endrika:) nony noforonina dia afaka ampiasaina:

  • Hanavahana ireo pejy misy olana. Ohatra asiana lasitra hoe {{ifandirana}} ao anaty lahatsoratra iray, ka io lasitra io dia sady mampiseho kisary sy soratra amin'ny mpitsidika ny fisian'ny fifandirana momba ny votoatiny, no sady manasokajy ny pejy ihany koa mba hahafahana mahita ireo pejy rehetra misy fifandirana rehetra.
  • Hamoronana tabilao na fampahalalana miasa amin'ny pejy maromaro, ka ny votoatiny fotsiny no miova fa ny endriny dia itambaran'ireo pejy rehetra.
  • Handefasana hafatra ho an'ny mpandray anjara rehefa voasakana izy, na heverina ho tsy ara-dalàna ny asa ataony, sy ny sisa. Misy koa fomba iray ampiasàna ny lasitra amin'izany: asaina adikan'i MediaWiki indray mandeha ao anatin'ny pejy ny votoatin'ny lasitra, ka amin'izay fotoana izay dia tsy miova ilay dika ao anaty pejy na novaina aza ny votoatin'ny lasitra.

Ho an'ny fomba fanovàna ny votoatin'ny pejy indray, dia tsy mampiasa WYSIWYG i MediaWiki, fa manome toolbar kosa izay manamora ny fianarana sy fizàrana amin'ny fitsipi-panoratana wiki. Mba hanamoràna ny fanovàna pejy lavabe sy ny fahazoana ny lahatsoratra, dia azo atao ny manova pejy amin'ny ampahany fohy fotsiny (araka izay fizarany manaraka ny lohateny ao anatiny). Fanampin'izay dia afaka ampiasaina ihany koa ny fitaovana ivelan'ny rindrankajy hanovàna pejy na rakitra.

Afaka maneho raiki-pohy matematika ihany koa i MediaWiki amin'ny alàlan'ny LaTeX sy OCaml. Azo itarina koa aza izy raha ilaina, koa mety afaka haneho toy ny sary matematika, sns.

Manana ireo atao hoe "pejy manokana" ihany koa i MediaWiki mba handalinana ny fifandraisan'ny pejy sy ny votoatiny, manome fitaovana ifampizarana ny votoatin'ny wiki amin'ny alàlan'ny fanondranana sy fanafarana izany ihany koa izy. Misy rindrankajy fanampiny ihany koa ahafahana mandalina ny votoatin'ny pejy, toy ny "Wikistats" nosoratan'i Erik Zachte, na API (mbola andrana) ahafahana mifandray amin'ny wiki, ary efa misy karazana script maro ahafahana manamboatra rôbô izay manao asa samihafa ihany koa azo ampiasaina.

Afaka manao takilan'angaly sy JavaScript mandeha isaky ny pejy jerena ho azy manokana ihany koa ny mpitsidika, raha navelan'ny mpitantana ny sehatra hampiasaina izany. Ohatra mivaingana amin'izany ilay JavaScript nosoratan'ny mpikambana atao hoe "Lupin" izay mampiseho topi-mason'ny lahatsoratra rehefa mandalo eny ambonin'ny rohy eny ny korisa, ary manome hitsin-dàlana amin'ireo asa maro azo atao ihany koa.[4]

Na dia afaka mifehy ny fahazoan-dàlana amin'ny pejy ao anatiny sy azo ananganana vondrona mpikambana aza i MediaWiki, dia tsy laharam-pahamehana ho an'ny mpamolavola azy ny resaka fitantanana ny fahazoan-dàlana. Ohatra amin'izany dia tsy misy fomba ahafahana mamaritra ny alàlana amin'ny pejy isaky ny namespace. Raha ny amin'izay resaka izay dia ny wiki hafa toy ny TWiki na MoinMoin no mendrika kokoa.

Ary satria koa ampiasain'ny iray amin'ireo sehatra goavana amin'ny tranonkala dia ny Wikipedia i MediaWiki, dia notsindriana tamin'ny famolavolana azy ny fahombiazana sy ny fetezany itarina. Isan'izany ny cache na eo anivon'ny serveur na eo anivon'ny mpitsidika, ny fanaparitahana lahasa, sns...

Mety ho diso lehibe loatra ihany i MediaWiki raha ampiharina amina tetikasa kelikely, ary amin'izay tranga izay dia hampihena ny fahombiazany fotsiny ireo zavatra marobe afaka atao aminy nefa tsy ho ampiasain'ilay sehatra. Etsy andaniny indray, dia tena antonona kosa ny fampiasàna io rindrankajy io amina tetikasa lehibe, toy ny tetikasan'ny Wikimedia Foundation, na ireo wiki hafa hita ao amin'i Wikia.


Jereo koa hanova

References hanova

  1. "mutante". "Lisitry ny wikis araka ny habeny - Antontanisa S23". Archived from the original on 2008-09-06. Retrieved 2006-06-29. {{cite web}}: Check |authorlink= value (help); External link in |authorlink= (help)
  2. Mayer, Daniel. "Phase IV, Wikibooks.org/.com and WikimediaFoundation.org/.com (was Wikis and uniformity)". Wikipedia-L mailing list archives. Retrieved 2006-06-29.
  3. Jereo ny firantsanan'ny sokajy nasehon'i Erik Zachte nalaina avy amin'ny fampahalalana tao amin'i Wikipedia momba ny sokajy.
  4. "Lupin" [in Anglisy]. "Wikipedia:Tools/Navigation popups". Retrieved 2006-06-30.

Rohy ivelany hanova