I Mariupol tanàna any atsimo-atsinanana amin' i Okraina, eo am-bavan' ny renirano Kalmius, ao amin' ny morontsiraka avaratry ny Ranomasin' i Azov. Seranan-tsambo sy tanàna indostrialy ao amin' ny faritr' i Donetsk izy. Tamin' ny taona 2021 dia niisa 431 859 ny mponina tao, izay fifangarona Okrainiana sy Rosiana ary Grika vitsy an' isa.

Atao hoe Маріуполь / Mariupol izy amin' ny teny okrainiana, fa Мариуполь / Mariupol kosa amin' ny teny rosiana. Nantsoina hoe Zhdanov na Jdanov izy tamin' ny taona 1948 ka hatramin' ny 1989.

I Mariupol dia seranan-tsambo manan-danja, fiafaran-dalamby ary foibe ara-taozava-baventy. Ny famokarana tsỳ, ny toeram-panamboarana sambo, ny orinasa mpamokatra simika, ary ny toeram-pamokarana trondro am-bifotsy no miantoka ny ampahany be amin' ny fampidiram-bolan' ilay tanàna. Ny famokarana sy fitrandrahana metaly dia mandray anjara lehibe koa amin' ny toekarena.

Naorin' ny Grikan' i Krimea tamin' ny taona 1779 i Mariupol. Nobodoin' ny Alemàna izy nanomboka tamin' ny taona 1941 ka hatramin' ny 1943, ary be ny zavatra simba tao noho ny daroka baomba. Nantsoina hoe Zhdanov (na Jdanov) izy ho fanomezam-boninahitra an' i Andrei Aleksandrovich Zhdanov, izay mpanao rijan-kevitra sy mpanao pôlitika kôminista.

Nandritra ny fanafihan' i Rosia an' i Okraina, izay nanomboka tamin' ny 24 Febroary 2022, ity seranan-tsambo stratejikan' i Donbass ity dia nataon' ny tafika rosiana fahirano ary 90 % no fitambaran' ny rava sy simba.