I Donbass na Donbas dia faritra misy arintany mizara eo amin' i Okraina sy Rosia, eo anelanelan' ny Ranomasin' i Azov ao atsimo sy ny ony Don, eo amin' ny andaniny roa amin' ny tanànan' i Donetsk, mahatratra 60 000 km². Faritra manan-danja ara-toekarena sy ara-kolontsaina i Donbass, izay ahitana ny Ôblastan' i Donetsk sy ny Ôblastan' i Luhansk (na Logansk). Nisy mponina 6 222 000 tao tamin' ny taona 2021.

Donbass
Sarintany maneho an' i Donbass

Atao hoe Донбас / Donbas izy amin' ny teny okrainiana fa Донба́сс / Donbass kosa amin' ny teny rosiana. Ity anarana ity dia teny natambatra midika hoe "sahalempon' i Donets": Донецький басейн / Donetskiy basein (okrainiana) na Донецкий бассейн / Donetskiy bassein, ka i Donets dia renirano.

Nandray anjara tamin' ny fampandrosoana ny toekarena sôvietika i Donbass (tamin' ny taona 1970 dia izy no niantoka ny ampahatelon' ny arintany novokarin' i Firaisana Sôvietika. Ny 70 % amin' ny sahan' arintany dia any Okraina ankehitriny.

Ny arintany any, izay tsara kalitao, dia mitambatra amin' ny akora vy avy any Kryvyi Rih, ao Okraina (taterina an-dalamby) mba ho lasa tsỳ. I Donbass dia faritra indostrialy lehibe, ao no misy ny iray amin' ny orinasa mpamokarta vy sy tsỳ lehibe indrindra eran' izao tontolo izao, izay misy tangoron-tanàna misy mponina an' arivony maro, toa an' i Donetsk (mihoatra ny iray tapitrisa ny mponina) sy i Lugansk na Luhansk (500 000 mponina). Mifaninana amin' i Kuzbass any atsinanana (ao Rosia) izy izao, nefa mbola misy tahiry am-polony tapitrisa taonina.

Nanomboka tamin' ny taona 2014 dia iadiana ny ao Donbass ary nanomboka tamin' ny volana Febroary 2022 dia iadian' i Okraina sy i Rosia izy ankehitriny.