Ny rastafarisma na rastafarianisma na hetsika rastafary dia hetsika mesianika ara-piarahamonina sy ara-panahy izay nandroso avy ao Jamaika tamin' ny taona 1930, izay miseho amin' ny lafiny mozika amin' ny alalan' ny reggae. Tamin' ny taonjato faha-20 dia fanta-bahoaka maneran-tany io hetsika io tamin' ny alalan' ny fahombiazan' i Bob Marley. Amin' ny lafiny finoana dia voasokajy ho fivavahana abrahamika ny rastafarisma.

Rastafary ao Jamaika

Fiavian' ilay anarana hanova

Ny anaran' ilay hetsika dia avy amin' ny fanakambanana ny teny amharika hoe ራስ / ras sy ተፈሪ / Täfäri, ka ny hoe ras dia midika hoe "loha" sady manondro koa ny tompon' andraikitra pôlitika ambony, ary ny hoe Tafari (ተፈሪ) dia anaran' i Haile Selassie I (raha ny anarany feno amin' ny fiteny gezy dia ተፈሪ መኮንን / Tafari Makonnen) emperoran' i Etiôpia farany, tamin' ny taona 1930-1936 sy 1941-1974.

Jereo koa hanova