Fiteny javaney
basa jawa

Isan'ny mpiteny 80 tapitrisa
Faritany  Indonezia ary Endrika:Surinam
Sata Tsy manana sata ofisialy
Soratra latina, na abogida javaney


Ny fiteny javaney dia fiteny any amin' ny nosy Java, any Indônezia. Misy olona 80 tapitrisa, eto an-tany no miteny javaney, ary tenin-dren' ny olona 75 tapitrisa izy any Indônezia. Izy no teny be mpiteny indrindra any Indônezia.

Ny fiteny javaney dia isan' ireo fiteny aostrônezianina, ary mitovy fianakavina amin' ny fiteny malay ny fiteny javaney. Miteny indônezianina ny vahoaka javaney rehefa mivarotra na rehefa miresaka amin' ny Indônezianina tsy mahay miteny javaney.

Any ivelan' i Indônezia, betsaka ny olona miteny javaney, indrindra any Azia manodidin' ny Indônezia: Any Timôro Atsinanana, any Malaizia, any Singapôro ary any Aostralia ; misy koa any Hong Kong sy any Taiwan. Vitsivitsy izy any Sorinama.