Advento: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 1 Septambra 2018 à 15:35

Ny Advento dia fotoana maharitra efatra herinandro mialoha ny Noely na Krismasy manomboka amin'ny andro Alahady manodidina ny 30 Novambra. Fotoana fiomanana mialoha ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy izany. Fiangonana kristiana maro no mitandrina sy mankalaza ny Advento amin'ny maha andro fiandrasana ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy Kristy (dia ny Noely na Krismasy) sy ny fiavian'i Jesosy fanindroany ety an-tany azy.

Ny Advento no fanombohan'ny taom-piangonana tandrefana sady manomboka amin'ny Alahady fahefatra alohan'ny Noely na Krismasy, izay atao hoe Alahadin'ny Advento, dia ny Alahady manakaiky ny 30 Novambra (ao amin'ny Katolika romana, ny Ortodoksa tandrefana, ny Anglikana, ny Loterana, ny Moraviana, ny Presbiteriana, ny Metodista).

Avy amin'ny teny latina hoe Adventus ny hoe Advento ka midika hoe "fiaviana" na "fahatongavana". Fotoana fanombohan'ny taom-piangonanany Advento. Ny teny latina hoe Adventus dia nandikana ny teny grika hoe parousia izay ampiasaina hilazana ny Fiavian'i Kristy Fanindroany.

Jereo koa: