Gestapo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Alno (dinika | fandraisan'anjara)
liens
Alno (dinika | fandraisan'anjara)
+lien
Andalana faha-3:
Ny [[SS]] dia ny tafika nazista tamin'izany fotoana izany, fa ny Gestapo kosa dia hery niafina zary biby fampitahorana an'i Eoropa, noho izy tafiditra an-tsokosoko tamin'ireo sokajin'asa rehetra (birao, ozinina, sekoly,...), natao hitsikilo ary nanana fahefana nanondro sy nanendrikendrika, nisambotra sy nandefa tany amin'ny toby fiampijaliana ireo izay lazaina fa nanohitra ny fitondran'i Hitler.
 
Ny volana aprily 1934 kosa dia nahasahana hatramin'ny SS ny Gestapo, ka i [[Himmler]] no natao lehibeny, ary ny volana jiona 1936 izy no lasa lehibe tsy refesi-mandidin'ny polisim-pirenena alemana. Tamin'izany no nizarana ho roa ny [[polisy]] :
* ny polisy miandraikitra ny fiarovana - [[Sicherheitspolizei]] - i Reinhard Heydrich no lehibeny , ka tafiditra ao anatin'izany ny zandarma, ny polisy mpitandro filaminana (Schutzpolizei) ary ny polisim-bohitra (Gemeindepolizei).
* sy ny polisy misahana ny filaminana - [[Ordnungspolizei]] - i Kurt Daluege no lehibeny izay nahitana ny polisin-jiolahy (Kriminalpolizei) sy ny Gestapo.