Magy ao amin' ny Baiboly

(tonga teto avy amin'ny Majy ao amin'ny Baiboly)

Ny magy na majy dia ilazan' ny Filazantsara araka an' i Matio ireo mpivahiny izay notarihin' ny kintana iray avy any atsinanana ho any Israely mba hitsaoka an' i Jesoa vao teraka.

Ny fitsaohan' ny Magy, sary nataon' i Albrecht Altdorfer,  tanelanelan' ny taona 1530-1535.

Ny Magy ao amin' ny Filazantsaran' i Matio

hanova

Tamin' ny fahatongavany tao Jerosalema dia nankao amin' ny lapan' i Herôda Lehibe izy ireo mba hamotopototra tsara ny amin' ny toerana misy an' ilay zaza vao teraka, dia i Jesoa. Namaly i Herôda fa tsy mahafantatra ny amin' izany. Taitra tamin' ny fanamafisana avy amin' ny soratry ny mpaminany ny mpanjaka. Nefa nanafatra ny magy izy mba hiverina eo aminy hanambara aminy ny mombamomba an' ilay zaza. Nampiasa saina an' i Herôda ny nandrenesany an' izany. Notarihin' ilay kintana ireo magy ka tonga tao Betlehema tao amin' ny tranon' omby nandrian' ilay zaza ka nanome azy volamena sy zavamanitra ary miora.

Nahazo fampitandremana tamin' ny anjely tamin' ny alalan' ny nofy ny magy ka tsy niverina intsony tany an-dapan' i Herôda. Nanapa-kevitra ny hamono ny zaza vao teraka rehetra ny mpanjaka.

Ny Magy araka ny lovantsofina

hanova

Araka ny lovantsofina izay tsy voarakitra ao amin' ny Filazantsara dia miisa telo ny magy ka izao avy ny anarany: i Baltazara sy i Melkiôra ary i Gaspara.

Jereo koa

hanova