I Lokmàna dia olon-kendry niaina talohan'ny nisian'ny finoana silamo izay resahina ao amin'ny soràta faha-31 ao amin'ny Kor'any. Araka ny lovantsofina silamo dia olon-kendry niaina tamin'ny taonjato faha-11 tal. J.K. i Lokmàna sady avy any Abisinia na any Egipta na any Palestina. Araka izany lovantsofina izany ihany dia nonina takaikin'ny mpanjaka lehibe iray izay nanaja azy fatratra izy, ka misy ny mihevitra fa i Davida izany mpanjaka izany. Atao hoe لقمان / Luqman izy amin'ny teny arabo.