Lalaon' ny Nosy eto amin' ny Ranomasimbe Indiana
Ny Lalaon' ny Nosy eto amin' ny Ranomasimbe Indiana (amin' ny teny frantsay "Jeux des îles de l'océan Indien" ary amin' ny teny anglisy "Indian Ocean Island Games") dia fifaninanana ara-panatanjahantena na fihaonan' ireo nosy ao atsimo-andrefana amin' ny Ranomasimbe Indiana. Tamin' ny taona 1970 ny daty nanokafana io lalao io voalohany. Miverimberina isaky ny 4 taona ny lalaon' ny nosy ary ivondronan' ny firenena fito izany:
- i Madagasikara;
- i Kômôro;
- ireo nosy Seisely;
- ny nosy La Réunion;
- ny nosy Maorisy;
- ny nosy Mayotte.