Lakana
Ny lakana dia fitaovam-pitaterana an-drano, lava sy tery, matetika amboarina amin' ny vatan-kazo tokana nalaina atiny, atosiky ny lay na ny fivoy sady indraindray ahitana fanary, ampiasaina eny an-dranomasina na eny an-drenirano na eny amin' ny farihy .Ny lakana ihany koa dia vita amin'ny vy. Io lakana vy dia mazaka olona eo amin'ny 30 faran'ny betsaka .

