Ny lônsdaleita dia mineraly izay, miaraka amin' ny diamondra sy manjarano (na grafita), iray amin' ny endrika telon' ny karbônina voajanahary. Ny anarana hoe "lônsdaleita" dia avy amin' ny anaran' i Kathleen Lonsdale (1903-1971), izay kristalôgrafa anglisy.

Tamin' ny Febroary 2009, nisy ekipa mpikaroka iraisam-pirenena, notarihin' i Zicheng Pan ao amin' ny Oniversiten' i Shanghai Jiao-tong (Sina), izay nampiseho fa ny lônsdaleita dia mahatohitra tsindry 58 % bebe kokoa noho ny diamondra; na izany aza, ny ny hamafin' ny santionany voajanahary dia ambany kokoa: 7 hatramin' ny 8 amin' ny maridrefin' i Mohs; heverina fa izany dia vokary ny kilema sy ny loto ao amin' ilay kristaly.