Kisy (vahoaka ao Tanzania)

Ny Kisy dia vondrom-poko banto ao amin' ny Distrikan' i Makete ao amin' ny Faritra Njombe, any Tanzania, eo amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' ny Farihy Malawi. Tombanana ho 18 000 ny Kisy tamin' ny taona 2001, ka ny 10 200 amin' ireo no miteny ny fiteny kisy. Nanomboka nampiasa ny fiteny niakiosa ho fiteny faharoa izy ireo tamin’ ny taona 1900.

Ny vehivavy kisy dia nanakalo vilany tany sy tavy tany vita an-trano raha ny lehilahy kisy mpanjono kosa nanakalo ireo vilany tany sy tavy eny an-tanety miaraka amin' ny hazan' izy ireo (anisan' izany ny lalomena) amin' ny omby avy amin' ny vahoaka Sango (Sangu). Nitatitra olona niampita ny Farihin' i Nyassa tamin' ny lakana koa izy ireo.

Hita eo manamorona ny Farihy Nyasa ao amin' ny Distrikan' i Ludewa ao amin' ny Faritra Iringa izy ireo. Ny fanjonoana no tena asa fivelomana ataon' izy ireo, na izany aza, ny asa hafa toy ny fanaovana vilany sy tavy ary ny fambolena mangahazo. Avy any amin' ny Distrikan' i Ludewa mankany Lupingu (izay misy ny ankamaroan' ny Kisy) dia tsy lavitra izany, saingy misy tendrombohitra sy havoana maromaro misy lalana mikitoantoana izay manasarotra ny fitaterana.

Noho izany, taloha, ny ankamaroan' ny Kisy dia nandeha an-tongotra avy any Lupingu ho any Ludewa, nitondra vilany tany sy trondro, izay namidiny any amin' ny Distrikan' i Ludewa.