I Kirenaika na Sirenaika dia faritra nitoka-monina tao Afrika Avaratra, tao amin' ny tapany andrefan' i Egipta izay ao Libia ankehitriny, izay nonenan' ny foko maro ka ny sasany mpifindrafindra monina fa ny sasany hafa mitomoe-monina nefa tsy tena fantatra mazava. Nozanahin' ny Grika hatramin' ny taonjato faha-7 tal. J.K. io faritra io ka tsy azon' i Egipta helenistika sy ny fianakavia-mpanjaka lagida (na ptôlemaika) raha tsy tamin' ny taona 322 tal. J.K. Azon' i Rôma ka nakambany tamin' ny empirany i Kirenaika tamin' ny taona 96 tal. J.K.

Jereo hanova