Ny fiteny ôjiboe, antsoina koa hoe fiteny ôjiboa, fiteny anisnabemôoina, dia fiteny algônkiana akaikin' ny fiteny algônkina. Ny vahoaka Ôjiboe no miteny izany manerana ny faritr' i Great Lakes, ary koa any andrefana any amin' ny Lemaka Avaratra. Anisan' ny fiteny amerindiana teratany manan-danja indrindra any Amerika Avaratra izy raha jerena ny isan' ny mpiteny ary manana fitenim-paritra isan-karazany: ao ohatra, ny fiteny ôjiboe an-demaka, na ny fiteny ôjiboe andrefana - antsoina koa hoe fiteny saolteaoksa, na fiteny saolteoksa, na fiteny saoteoksa - dia fitenin' ny Saolteaoksa ("vahoakan' ny rian-drano").

Avy amin' ny fiteny ôjiboe ny teny hoe tôtema.