Ny Kalanchoe dia vondron-karazan-javamaniry trôpikaly misy voniny, matevin-dravina, izay ahitana karazana miisa 125 hatramin' ny 155 eo ho eo ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae, ka ny antsasany dia teratany eto Madagasikara fa ny sisa dia ao Afrika trôpikaly sy any Azia. Ny karazana ao amin' ny Kalanchoe dia anisan' ny zavamaniry voalohany nalefa eny amin' ny habakabaka, nalefa mba hamatsiana ny toby ana habakabaka sôvietika atao hoe Salyut 1 tamin' ny taona 1979.

Kalanchoe beharensis (amin' ny teny malagasy; mongy, rongy, tavitavy)

Karazana Kalanchoe vitsivitsy hita eto Madagasikara sady misy anarany amin' ny teny malagasy:

  1. Kalanchoe beharensis (mongy, rongy, tavitavy)
  2. Kalanchoe campanulata (kilenga, kitenga, kotrokotroka, sodifafandrano)
  3. Kalanchoe eriophylla (kimavo, kimavokarana, sofinapaha)
  4. Kalanchoe grandidieri (isaka, mongy, sofisofy)
  5. Kalanchoe hildebrandtii (tambora, tambora, tamboro, toaremy)
  6. Kalanchoe laxiflora (kilanganamboa, kilenganamboa, kotrokotrobato, kotrokotroka, papy)
  7. Kalanchoe miniata (kodokodobato, sofimbato)
  8. Kalanchoe orgyalis (hazombato, hazombatomadinika, kilengavazanosy, toarenihazo)
  9. Kalanchoe pinnata (falatanantsifaona, malainana, rendadiaka, sodifafana, tsilafafa)
  10. Kalanchoe porphyrocalyx (velonahantona)
  11. Kalanchoe prolifera (sodifafana)
  12. Kalanchoe pubescens (sofimbatonalika)
  13. Kalanchoe schizophylla (kilenganamboa, kilinganamboa, tongotramboabe)
  14. Kalanchoe sp. (tsikotroka, tsikotrokotroka)
  15. Kalanchoe streptantha (sofingoaika)
  16. Kalanchoe synsepala (kilingambato)
  17. Kalanchoe tomentosa (falatanantsifaona)
  18. Kalanchoe tubiflora (tombokakanga, tsikidoro)
  19. Kalanchoe verticillata (tingotingo)