Kalanchoe beharensis

Ny Kalanchoe beharensis dia karazana zavamaniry matevin-dravina ao amin' ny vondron-karazana Kalanchoe, sy ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae. Ny Kalanchoe beharensis dia teratany eto Madagasikara sady tsy fahita firy raha tsy eto, fantatra amin' ny anarana malagasy hoe mongy sy rongy ary tavitavy.

Kalanchoe beharensis (amin' ny teny malagasy: mongy, rongy na tavitavy)
Ravin' ny Kalanchoe beharensis

Ity zavamaniry ity dia nangonina tany Behara eto Madagasikara tamin' ny Jolay 1901 ary nofaritan' ny bôtanista frantsay Drake del Castillo ao amin' ny Bulletin du Muséum national d'histoire naturelle, tome 9, 1903.

Ny Kalanchoe beharensis dia zavamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Maniry ao anaty kirihitra an-tany tsy ampy rano izy io. Nampidirina ho zavamaniry an-jaridaina fanao haingo any amin' ny faritra trôpikaly izy ary zavamaniry volena anaty fampihibohana hafanana any amin' ny faritra manana toetany antonony.