Kajy
Amin' ny lafin' ny marika na matematika, ny kajy dia valan' asa atao amin' ny habe. Amin' ny alalan' ny kajy no ahafahan' ny isa miovaova. Misy ny kajy tsotra toy ny manampy (+) na ny manala (-) ny mampitombo (x) ary ny mizara (:). Tamin' ny Andro Taloha dia efa nisy ny kajy, ary asa tanan' ny mponina tamin' izany fotoana izany tao Afrika no nahahitana izany: ny "taolan' i Ishango".