Joany XXIII (antipapa)

I Joany XXIII dia antipapa nandritra ny Fisarahana Lehibe tao Andrefana. Teraka tamin' ny taona 1370 izy ary maty tamin' ny taona 1419. Nitondra ny anaram-boninahitra hoe "papa" izy teo anelanelan' ny taona 1410 sy 1415.

Ny antipapa Joany XXIII.

Ny antipapa Joany XXIII no nampanao ny konsily tao Roma tamin'ny taona 1413 izay nanamelohana ny lahatsoratra nataon'i John Wyclif sy i Jan Hus izay nitsikera ny fanaon' ny Fiangonana katolika sady noheverina fa nanao fampianaran-diso.

Voatery nametra-pialana i Joany XXIII tamin' ny taona 1415 nandritra ny konsily tao Konstanz (frantsay: Constance), konsily notantrahina teo anelanelan' ny taona 14114 sy 1418. Nogadraina tao amin' ny tanàna alemàna maro izy hatramin'izay ka hatramin' ny taona 1418. Nihavana tamin' ny papa Martino V izy ka notendrena ho kardinaly-arsevekan' i Tusculum tamin' ny taona 1419.