Iray
Ny 1, izay tononina hoe iray na isa na iraika, dia isa tsimivaky nanahary sy tarehimarika, maneho singa tokana. Ny "iray" indraindray dia manondro ny venty. Io no voalohany sy kely indrindra amin' ny isa nanahary miabo amin' ny filaharana tsy manam-petran' ny isa nanahary. Io toetra fototra io dia nitarika ho amin' ny manokana fampiasana azy amin' ny sehatra samihafa, manomboka amin' ny siansa ka hatramin' ny fanatanjahantena, izay matetika anondroany ny zavatra voalohany, ny mpitarika, na ny ambony indrindra ao amin' ny vondrona misy azy. Ny 1 dia venty ampiasaina amin' ny fanisan-javatra. Teo amin' ny tantara dia nivoatra avy amin' ny marika someriana sy babilôniana fahiny ho amin' ny tarehimarika arabo ankehitriny ny fanehoana ny 1.
Nifanarahana fa tsy raisina ho isa tsy azo tsinjaraina ny 1. Amin' ny teknôlôjia nomerika, ny 1 dia maneho ny toetra "on" amin' ny fanisana taroa, fototry ny infôrmatika. Ny 1 dia maneho ny zava-misy na ny loharanon' ny fisiana amin' ny firehana ara-pilôzôfia samihafa.