Ny Himba na Ôvahimba dia vahoaka tompontany any avaratra amin' i Namibia, ao amin' ny ao amin' ny Faritra Kunene (Kaokoland taloha) ary any ampitan' ny ony Kunene any atsimo amin' i Angôla. Tombanana ho 50 000 eo ho eo ny isan' izy ireo. Misy vondrona vitsivitsy sisa tavela amin' ny Ôvato (OvaTwa), izay Ôvahimba (OvaHimba) ihany koa, fa mpihaza sy mpioty. Amin' ny fitenin' izy ireo (fitenim-paritry ny hererô) dia OmuHimba raha tokana fa OvaHimba raha maro.

Vehivevy himba any Namibia

Miavaka amin' ny Herero ny Ôvahimba amin' ny lafiny ara-kolontsaina, izay vahoaka mpifindrafindra monina amin' ny ampahany, mpiompy andiam-biby ary miteny ôtjihimba (OtjiHimba), karazan' ny fiteny hererô, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny banto ao amin' ny fianakaviambem-piteny nizerô–kôngôley. Ny Ôvahimba dia mpifindrafindra monina amin' ny ampahany noho izy ireo manana teram-pamblena, nefa tsy maintsy mifibdrafindra ao anatin' ny taona arakaraka ny rotsak' orana sy ny toerana misy rano.

Ny Himba no heverina ho vahoaka mpifindrafindra monina sisa farany any Namibia.

Jereo koa hanova