Gregôrio Mpanazava

I Gregôrio Mpanazava na Gregôrio I Mpanazava no olo-masina nitory ny Filazantsara na Evanjely tany Armenia ary izy no katôlikôsy (catholicos) voalohany, mpanorina sy lohan' ny Fiangonana Apôstôlika Armeniana. Teraka tamin' ny taona 257 izy ary maty tamin' ny taona 331. Amin' ny teny armeniana izy dia atao hoe Գրիգոր Ա Լուսաւորիչ / Grigor Lusavorich, amin' ny teny grika Γρηγόριος Φωστήρ, amijn' ny teny hebreo גרגוריוס המאיר.

Môsaika bizantina tamin' ny taonjato faha-14 maneho an' i Gregôrio I ao amin' ny Fiangonana Pammakaristos any Kônstantinôpla (i Fethiye Camii, any Istanbul ankehitriny)

Nanova an' i Armenia hiala tamin' ny zôrôastrisma ho amin' ny kristianisma izy tamin' ny fiandohan' ny taonjato fahefatra (nanomboka tamin' ny taona 301) ka nahatonga an' i Armenia ho firenena voalohany nandray ny kristianisma ho fivavahana ôfisialy. Olomasina ao amin' ny Fiangonana Apôstôlika Armeniana sy any amin' ny fiangonana hafa izy.

Jereo koa hanova