Friedrich III (Saksônia)

I Friedrick III, izay fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Friedrich der Weise ("Friedrich ilay Hendry"), dia elektora tao Saksônia tamin' ny taona 1486 ka hatramin' ny 1525, izay tsaroana indrindra noho ny fiarovany an' i Martin Lotera olom-peheziny. Teraka tamin' ny 17 Janoary 1463 tao Torgau, ary maty tamin' ny 5 Mey 1525 tao Lochaude akaikin" ny tanànan' i Annaburg izy.

Sarin' i Friedrich nataon' i Lucas Cranach Zokiny

I Friedrich dia zanak' i Ernest, elektoran' i Saksônia (alemana: Sachsen) sy i Elisabeth, zanakavavin' i Albert III, diokan' i Bavaria (alemana: Bayern). Malaza ho iray amin' ireo mpiaro voalohany an' i Martin Lotera natanjaka indrindra izy. Niaro soa aman-tsara an’ i Lotera tamin’ ny emperoran' ny Empira Masina Rômana Jermanika sy ny papa ary ireo olo-malaza hafa fahavalony izy. Tsy noho ny faharesen-dahatra ara-pivavahana no nitarika azy fa noho ny finoany manokana momba ny fitsarana ara-drariny ho an' ny olom-peheziny rehetra (tombontsoa omen' ny lalàna mifehy ny empira) sy ny fanjakana tan-dalàna. Tsy dia nifandray manokana tamin’ i Lotera mihitsy ilay elektora. I Degenhart Pfaffinger, mpitam-bolan' i Friedrich no nisolo tena azy tamin' i Lotera. Nanohana an' i Friedrich hatramin' ny nanaovan' izy ireo fivahiniana masina tany amin' ny Tany Masina i Pfaffinger. Heverina fa nijanona ho katôlika i Friedrich nandritra ny androm-piainany, saingy nirona tsikelikely tamin' ny foto-pampianaran' ny Refôrmasiôna ary heverina fa niova fo ho amin' izany izy teo am-pandriana nahafatesany.

Ankalazaina amin' ny maha mpanapaka kristiana azy i Friedrick III ao amin' ny Alimanakan' ny Olo-masina an' ny fiangonana Lotheran Church–Missouri Synod any Etazonia isaky ny 5 May.