Fozan-dranomamy
Ny fozan-dranomamy na foza dia biby folo rantsambatana (Decapoda), ka ny roa voalohany dia afaka miketoka toy ny tandra misy nifinifiny. Karazana fozan-dranomamy miisa 1 300 eo ho eo no miparitaka manerana ny faritra manodidina trôpika, ary mitsinjara amina fianakaviana valo.
Ny tsingerim-piainan' ny fozan-dranomamy dia fivoarana mivantana izay ahitana ny reny mikarakara ny zanany vitsivitsy, tsy toy ny fozan-dranomasina, izay mamoaka olitra planktônika an' arivony. Izany dia mametra ny fiparitahan' ny foza an-dranomamy, noho izany dia matetika izy ireo dia tsy fahita raha tsy amin' ny faritra kely. Vokany, ampahany betsaka anin' ny karazany no atahorana ho lany tamingana.