Ny goaika, izay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Corvus albus, dia karazam-borona afrikana miely patrana, ao amin' ny vondron-karazana Corvus ao amin' ny fianakaviana Corvidae. Amin' ny lafiny ara-drafitra, ny goaika dia afaka mifanambady amin' ny goaika sômaliana izay mihaona aminy ao amin' ny Tandrok' i Afrika ny sisin-taniny.

Goaika

Ny volon' ny goaika dia mainty, fa eo amin' ny tendany kosa dia misy fotsy mihodidina toa fehivozona mivekatra mankany amin' ny tratrany sy ny kibony.

Faritra ahitana ny goaika

Jereo koa

hanova