Fivahiniana masina (silamo)

Ny fivahiniana masina, izay atao amin' ny teny arabo hoe حَجّ / Hadj na Hajj dia andry fahadimy ao amin’ ny finoana silamo. Ny Hadj na Hajj no manan-danja indrindra amin’ ireo fivahiniana masina roa mankany Meka na Maka.

Fivahiniana masina anaovana fihodidinana amin' ny Kaaba any Meka

Ny lehilahy sy ny vehivavy mozilmana salama tsara rehetra dia tokony hanao fivahiniana masina indray mandeha amin’ ny fotoana ahavelomany, raha tahiny ka ampy ny hoenti-manana ara-bola hiatrehana izany.

Tsy mitovy amin’ ny "fivahiniana masina kely" izay atao any Meka ihany koa, izay atao hoe Umra, ny Hadj izay azo atao amin’ ny fotona sasany voafaritra mazava: amin’ ny volana fahafolo no manomboka ireo lanonana isam-batanolona voalohany, izay andehanana impito manodidina ny Kaaba sy impito eo anelanelan’ ny tendrombohitra Safa sy ny tendrombohitra Marwa. Eo anelanelan’ ny andro faha-9 sy faha-12 amin’ ny volana faha-12 (volana Dhul al-Hijja), ny lanonana iarahan’ ny besinimaro izay ivorian’ ny mpanao fivahinina masina rehetra, ao amin’ ny lohasaha manatrika ny tendrombohitra Mina tsy lavitra an’ i Meka, izay naovana sorona biby fiompy. Ireo izay manatanteraka ny Hadj dia afaka mametraka ny anaram-boninahitra hoe "Hadj" eo alohan’ ny anarany.

Jereo koa hanova